EKSODOSY 20: 8-11

Mahatsiarova ny andro Sabata hanokana azy. Henemana no hiasanao sy hanovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan’I Adonaï Elohim naony andro faha fito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, n any zanakao lahy, nany zanakao vavy, n any ankizilahinao, n any ankizy vavinao n any biby fiompinao, n any vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanovan’I Adonaï ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra izy tamin’ny andro faha fito; izany no nitahian’i Adonaï  ny andro Sabata sy nanokanany azy.

 

ISAIA 58: 13- 14

Raha miaro ny tongotrao amin’ny Sabata ianao, ka tsy manao izay tianao amin’ny androko voatokana, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny natokan’I Adonaï hoe mendrika hohajaina, ka manome kévod azy, ary tsy mandeha  amin’ny làlanao, na manao izay  tianao, na miteniteny foana;

Dia  hiravoravo amin’I Adonaï  ianao, ary hasandratro  ao amin’ny havoanan’ny tany ianao, sy hofahanako amin’ny lovan’I Yakov rainao; fa ny vavan’I Adonaï  no efa niteny.


 

ISAIA 66 :22 -23

Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Adonaï; dia toy izany ny haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.

Isaka ny voaloham-bolana sy isan-Tsabata dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako , hoy Adonaï

 




Créer un site
Créer un site